- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Mpitondra moto maty tafasitrika tao ambany fiara

Talatamaty : Mpitondra moto maty tafasitrika tao ambany fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny faritr’i Talatamaty tamin’ny zoma efa alina tokony ho tany amin’ny 8 ora tany ho any. Vokany, mpitondra moto iray no namoy ny ainy, maty teo no ho eo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana sy nilaza fa nandeha mafy ny olona iray nitondra ilay moto. Rehefa ho avy anefa ny loza, tsy azo ialana mihitsy. Nifanehatra tamina fiara Peugeot 405 iray izy. Mafy dia mafy ny dona ary tafasitrika tao ambanin’ilay fiara mihitsy ilay nitondra moto. Tsy vitan’izany fa mbola voatarika vao tafajanona ilay fiara. Rehefa nojerena, tsy nisy azo natao intsony, satria maty ilay lehilahy tokony ho eo amin’ny 30 taona eo ho eo. Amin’io ora voalaza io dia mbola tomefy olona tokoa ny eny Talatamaty eny. Avy hatrany dia nitangorona ny olona. Ao ireo nikasa ny hitondra ilay naratra tany amin’ny trano fitsaboana soa dia mbola misy ihany ny ala nenina atao azy. Ao koa ireo tonga hizaha ny zava nisy fotsiny, ary dia raikitra ny resaka isan-karazany.

Re tamin’izany fa maro ny loza ateraky ny mpitondra moto, tsy eny Talatamaty ihany fa manerana ny faritra maro eto an-drenivohitra. Ny zavatra misy amin’izany, ireo mpitondra moto hatrany no mitondra faisana. Ao ny maratra mafy ary mitondra takaitra mandra-pahafaty, ao ireo maty tsy tra-drano. Ny resaka iombonan’ny rehetra amin’ny loza sahala amin’izao dia ny hoe: maro amin’ireo mitondra kodiarandroa no tsy mahay na ny farafahakeliny akory  aza amin’ny làlana mifehy ny fifamoivoizana aza. Vokany, loza mahafaty hatrany no mitsena azy ireny, na eny amin’ny lalana malalaka na ety amin’ny toerana misy fitohanana aty an-drenivohitra.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici