- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFitifirana pôlisy tany Tsaratanana : Moara, basy sy bala maromaro no efa...

Fitifirana pôlisy tany Tsaratanana : Moara, basy sy bala maromaro no efa sarona

Na dia mbola tsy voasambotra aza ireo tompon’antoka tamin’ny fitifirana ireo pôlisy roa lahy izay maty ny iray (brigadier de  police) ary mbola tsaboina kosa ny faharoa (commissaire de police) dia efa mizotra mankany amin’ny famantarana sy fikarohana azy ireo ny fanadihadiana ankehitriny. Nafindra any amin’ny hopitalin’i Mahajanga ilay komisera, izay voan’ny bala roa ary ny any an-toerana ihany koa no nanokatra ny fanadihadiana. Ankoatra izay dia fantatra fa nisy moara maromaro sy basy poleta (P.A) miisa roa sy basim-borona sarona. Izany rehetra izany dia efa miaraka amin’ny bala avokoa. Nisy ny fihainoana vavolombelona nanomboka tamin’ity herinandro ity ary torak’izany ihany koa ny fanadihadiana natao tamin’ireo olona naratra. Raha hiverenana dia isan’izany ny iray tamin’ireo mpandraharaha nitondra vola mitentina 50 tapitrisa ariary. Mbola isan’ny naratra ihany koa, mazava ho azy, ny komisera misahana ny filaminam-bahoaka tao amin’ilay tanàna. Rodobe no nataon’ny pôlisy avy aty an-drenivohitra nanao savahao ny misy ireo olon-dratsy. Izany hetsika izany dia notarihan’ny Jeneraly iray eo anivon’io vondrona io. Raha oharina amin’ireo zavatra efa sarona ankehitriny, indrindra ireo fanafody gasy marobe, dia heverina fa malaso no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Izany anefa dia noheverina fa tany atsimo ihany no tena misy ny toeram-panafihan’ireo ary mahakasika ny halatra omby matetika. Raha mitombina itsy fijery voalohany dia efa mizotra manerana ny nosy ny malaso ary tsy nijanona tamin’ny halatra omby intsony fa efa lasa jiolahy tanteraka, ary manaraka izay misy ny vola.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici