- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Lehilahy maty nodomin’ny fiara, nandositra ilay nahavanona ny loza

Ankorondrano : Lehilahy maty nodomin’ny fiara, nandositra ilay nahavanona ny loza

Omaly alina tokony ho teo amin’ny 8 ora sy sasany teo, nisy lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Ankorondrano manolona ny fivarotana lasantsy. Vokany, lehilahy iray no maty. Tsy nijanona kosa anefa ilay nahavanona ny loza, fa nirifatra nanohy ny diany hatrany. Ny hany zavatra fantatra dia latsaka teo amin’ny toerana nisy ny loza ny « essui  glace »n’io fiara io.

Tamin’io ora voalaza io, efa vitsivitsy ihany ny olona nandeha teny an-dàlana. Nisy iray anefa afaka nanome ny vaovao mikasika ity loza ity ; ilay voadona ka namoy ny ainy avy any atsimo hianavaratra. Izy kosa nandeha nianatsimo. Tampoka dia tampoka ny fisehoan’ny loza, hoy izy. Fiara kely iray no nandeha mafy avy any atsimo tany ary nivilavila fandeha no nitrongy an’ilay olona maty. Tsy nanaja ny faritra tokony hizorany. Ilay olona voadona tamin’io, nizotra tsara tamin’ny làlana tokony ho nalehany. Rehefa teo anoloan’ny fivarotana lasantsy indrindra anefa, nahare dona mafy ireo mpiasa tao amin’ny fivarotana lasantsy. Vetivety ny fisehoan’ilay loza. Nopaohin’ilay fiara ity maty ity, notarihiny sahabo ho folo metatra eo vao tafajanona. Tsy nisy dian-kodiarana nanitsaka « frein » mihitsy, fa rà no nameno ny arabe. Maty tsy tradrano ilay olona. Tetsy an-daniny, nisy ny nilaza fa fiara 4X4 no nandona ilay olona. Samy tsy nisy afaka naka ny nomeraon’ilay fiara ny rehetra, satria faran’izay haingana ny zavatra niseho.

Vonjy no anaran’ilay namoy ny ainy ary nonina teny Ankorondrano Atsinanana izy fahavelony. Lehilahy eo amin’ny 35 taona eo. Re fa mpivarotra CD izy io ary mivarotra gazety ihany koa.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici