Nandriaka ny rà teny amin’iny faritra Talata Volonondry iny, omaly antoandro. Mpivarotra koba iray, tovolahy manodidina ny 25 taona teo ho eo no namoy ny ainy, voahitsaky ny fiara, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany antoandro teo. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia handeha hiampita ny arabe mihitsy ity tovolahy ity no sendra kamiô nipoitra tampoka. Voarain’ity fiarabe ity izy ka nianjera ary ny lohany no lasa tany amin’ny arabe; izay voatetin’ny kodiaran’ilay fiara. Nipotsaka mihitsy ny atidohany, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso hatrany ary maty tsy tradrano ilay tovolahy. Raha ny fanazavana azo, dia tsy nandeha mafy akory ity fiarabe ity, fa nilamina tsara niakatra ny tanàna. Teo anatrehan’izay dia tonga teny an-toerana nijery ny zavamisy avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Nentina natao fanadihadiana kosa ny mpamilin’ilay fiarabe, raha ny fantatra hatrany. Marihina fa somary tery tokoa iny làlana eo an-tampon-tanan’i Talata iny. Ambonin’ireo fiara maro izay mijanona eny an-tsisin-dàlana sy eo an-tsena, manampy izany ny habetsaky ny olona. Malaza amin’ny koba sy ny sôsisy Talata Volonondry, manginy fotsiny araka izany ireo mpivarotra miara-mirohotra sy mihazakazaka mamonjy ireo fiara nijanona. Inoana fa isan’izy ireo ity mpivarotra koba niharan-doza ity. Hanairana ny sain’ny tomponandraikitra, hisorohana ny loza toa izao.
m.L