- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : Kolonelin’ny 1er RFI nidoboka eny Tsiafahy

Asan-jiolahy : Kolonelin’ny 1er RFI nidoboka eny Tsiafahy

Tsy ny « chef de corps » akory, fa kolonely iray kosa ; izay miasa eo anivon’ny RFI saingy nomena andraikitra manokana hiasa amin’ny fiarovana toerana iray, no nidoboka eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy omaly, niaraka tamin’ny  « commandô » telo izay izy no mamatsy fitaovam-piadiana azy. Ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava (SCAC) no nanatontosa ny fanadihadiana, izay tonga tany amin’io manamboninahitra miaramila io. Niainga tamin’ny fahatrarana fitaovam-piadiana tany Maevatanana ny fanadihadiana ary nitohy teto an-drenivohitra, avy amin’ny fisavana trano teny Ambohibao. Bala  31 miaraka amin’ny  kalachnikov sy PA no sarona nandritr’izany fanadihadiana izany. Tsy nijanona teo fa niafara tamin’ny fisamborana olona enina izay miaramila ny efatra ka isan’izany ity kolonely ity. Tsy nihemotra mihitsy ity sampan-draharahan’ny pôlisy ity nanditra ny fanatontosana ny asany ary dia izao nanazava ny resaka mahakasika ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra izao. Marobe ny fanafihana efa notontosan’ity ekipa « commandô » ity ary hatreto dia  11 no efa neken’izy ireo fa nataony. Tao anatin’ny taona 2014-2015 no nanatontosan’izy ireo izany fanafihana misesy izany. Isan’ny voatonona ny: fanafihana teny Ambodifiakarana Isotry, fanafihana mpanakalo vola teny Antanimena, teny Ambohimiandra, Namontana, ny “Cash point” teny Andravoahangy, teny Ankatso ary koa ny tany Miarinarivo Itasy. Tamin’ity farany izay nahatrarana azy ireo ity, dia ny fikasana hanafika mpanangona volamena tany Maevatanana no saika nataony lasibatra. Kolonely no atidoha nikotrika no sady koa mpamatsy basy. Ny kaporaly Tihele (efa voaroaka rehefa nitsoaka ny toby) sy ny namany iray hafa kosa no mpanatontosa. Mbola miampy miaramila iray hafa izy ireo ao anatin’izany. Mazava izany izao ny zavamisy, fa ny mpitandro ny filaminana ihany, ary indrindra ny miaramila, no tompon’antoka amin’ny ampahan’ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra. Novalinan’ny BC tanteraka ny fanontanian’ny besinimaro hatrizay mahakasika ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana sy ny fampiasana an’izany amin’ny asan-jiolahy. Raha araka ny fantatra, dia tsy hijanona eto ny fanadihadiana an’ity raharaha ity, satria tamin’ny fotoana nanaterana ireo olon-dratsy teny Tsiafahy, dia efa nisy nahafantatra avy hatrany ny teny an-toerana fa olona mbola tokony mamita sazy ireo jiolahy ireo. Tsy nihaino fotsiny an’izany ny BC fa avy hatrany dia hanokatra fanadihadiana hafa indray ny amin’ny fomba nahafahan’ireo jiolahy mpanafika ireo miriaria eto an-drenivohitra, nefa efa mpamerin-keloka. Raha mitohy  toa izao ny fahasahian’ny BC, dia inoana fa hihena tanteraka ny asan-jiolahy eto amin’ity Antananarivo sy ny manodidina azy ity…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici