- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazoabo Atsimo : Dahalo roa maty voatifitra, omby 50 lasan’ny malaso

Ankazoabo Atsimo : Dahalo roa maty voatifitra, omby 50 lasan’ny malaso

Nisesisesy tato ho ato ny asan-dahalo arahina vono olona any amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo. Dahalo roa tamin’ireo 80 lahy nanafika tao an-tanànan’ Angavo, kaominina Tandrano, nangalatra omby 400, ny naraimben’ny alahady teo, no maty lavon’ny balan’ny zandary. Tsy nanaiky mora foana ny hakana ireo omby efa teo am-pelatanany ireo malaso ka raikitra ny fifampitifirana, rehefa dify kely ny tanàna. Fokonolona iray kosa naratra tamin’ireo mpanara-dia. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana  dia tafaverina soa aman-tsara eo am-pelatanan’ny tompony avokoa ny omby rehetra very. Ny alahady teo ihany, saingy tao amin’ny tanànan’i Soaserana, mbola ao anatin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo ihany. Dahalo nirongo basy miisa 70 no nanafika, ka omby 50 isa no very nandritra izany. Tamin’ity farany dia mbola tsy nisy raraka ny omby, na dia niezaka nanao ny fanarahan-dia aza ny Zandary sy ny fokonolona.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici