- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovolahy nampiaraka tamin’ny sipany, voatsatoka antsy

Toliara : Tovolahy nampiaraka tamin’ny sipany, voatsatoka antsy

Tanora mpifankatia roa avy nampiaraka handeha hody no naratra mafy notafihan’ny lehilahy roa nifoka rongony, nirongo antsy, tao Ampasikibo Toliara, tamin’ny toerana somary mangina sady maizina, afakomaly hariva. Raha ny fanazavana azo dia niezaka nanohitra sy niaro tena ilay tovolahy fa lasa ihany ny finday teny an-tanany sady voatsatoka antsy izy. Nitsoaka nandositra kosa ilay tovovavy sady niantso vonjy. Niverina namonjy ilay toerana nanafihan’ny jiolahy azy ity farany avy eo, minitra vitsy taty aoriana, niaraka tamin’ny olona maromaro, saingy ilay tovolahy efa nihosin-dra no sisa teo. Mbola faritra mena ao Toliara, ao amin’ny fokontany Ampasikibo, izay renivohitry ny varotra rongony, raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana. Mirongatra ny asa ratsy isan-karazany noho ny fiparitahan’ny jamala. Misy sahy mivarotra izany imasom-bahoaka toy ny miravotra anana sy voanjo, ka hanairana ny tompon’andraikitra, hoy ireo mponina.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici