Fiara tsy mataho-dàlana izay raha araka ny filazan’ny olona dia nandeha mafy, no nifandona tamin’ny fiara mpitatitra (taxi-brousse) mampitohy an’andrenivohitra amin’Ambatolampy. Olona iray no namoy ny ainy teo no ho eo. Nisy roa kosa naratra mafy ary samy naratra avokoa ireo olona tao anatin’ilay fiara mpitatitra. Nosaromana lamba ilay lehilahy namoy ny ainy ary nobataina tao anaty fiara sendra nandalo kosa ireo tena naratra mafy, nisy efa tsy nahatsiaro tena intsony. Ireo nanatri-maso ihany no nanazava fa nipitika lavidavitra mihitsy ilay fiara taxi-brousse vao tafajanona, izany dia vokatry ny fifandonana mafy dia mafy. Nisy tamin’ireo olona no tena very saina nanoloana ny nanjo azy. Nisy ihany koa ireo izay elaela, naka saina mihitsy vao niala tao anaty fiara. Tampoka loatra ilay loza ary tsy nisy fotoana nahafahana niaro tena akory, hoy ny sasany, izay mbola sahirana na ny nanazava ny tao an-tsainy aza noho ny fientanam-po. Mainka koa namparin-koditra azy ireo ny ny fahitàna fa nisy maty ny mpandeha niaraka fiara tamin’izy ireo. Maromaro ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ity voalohan’ny herinandro ity. Ny alin’ny talata teo dia nisy fiara kely iray nandona olona teo Ankorondrano. Maty tsy tsa-drano ilay lehilahy ary nitsoaka kosa ilay fiara. Ny « essuie-glace » no tavela teo ary nentin’ny mpanao fanadihadiana niaraka aminy satria mety hizotra amin’ny famantarana ilay fiara. Mbola lozam-pifamoivoizana iray hafa ihany koa no nitranga tetsy Talatavolonondry, ny talata antoandro teo, tovolahy iray mpivarotra koba no nofaohin’ny kamiao ary potika tanteraka ny lohany. Io indray dia nianjera, raha araka ny filazan’ny olona, ary ny lohany no lasa aloha, sady mbola voahitsak’ilay fiara lehibe ihany koa.
D.R