- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Ankizy lahy voaendaka sy voaroba

Andravoahangy : Ankizy lahy voaendaka sy voaroba

Ny alarobia teo, ankizilahy iray nirahina hiantsena no sendra mpanendaka teny Andravoahangy tsena. Ankoatra izany voadaroka ihany koa ity iraka ity. Araka ny nolazainy, dia vola 5 000 ariary sy finday no lasan’ireo mpanao sinto-mahery. Efatra ireo bandy ireo araka ny filazan’ilay ankizilahy ihany. Fantatry ny polisy nanao ny asany teny an-toerana ny fandehan-draharaha ka avy hatrany dia nisy ny fisamborana. Roalahy no tratra fa afaka nandositra kosa ireo namany. Teo no ho eo ihany moa dia efa naverina amin’ny tompony ireo zavatra nalain’ireo bandy. Omaly no natolotra ny Fampanohavana ireo voasambotra ary fantatra fa nalefa any am-ponja vonjimaika.

Ireo mpiantsena eny Andravoahangy dia mahamarika fa tena hifanotofan’ny mpanendaka sy ny mpangarom-paosy ary ny mpanao sinto-mahery io tsena iray io. Mifangaro amin’ny olona ry zalahy nefa dia fantatra ihany na izany aza ny fihetsiny.

rs

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici