# Toliara. Taitra ireto andian-jatovo ka nihoraka nahita zazakely iray sahabo ho iray taona sy tapany. Nisy nametraka tao ambany kamiao nitondra mpanao propagandy, ny asabotsy tolakandro teo, tany Toliara ilay zaza. Nahoraka avy hatrany fa nariana io zazalahikely io, napetraka tsy lavitra loatra ny kodiarana aoriana (toerana saro-pady). Nobataina ilay zaza saika hoentina tany amin’ny fokontany no nisy ramatoa efa mamo nipoitra avy tany amin’ ireo olona marobe nijery fampielezankevitra nivazavaza sy niteny ratsy ary nilaza fa renin’ilay zaza. Tezitra tamin’ny fihetsiny ny olona vory teo, ka saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ity ramatoa.
# Manja. Fifandonana tamin’ny dahalo, tafakatra 33 ny mpanara-dia maty. Araka ny vaovao voaray avy any amin’ny distrikan’i Manja, faritra Menabe, dia tafakatra 33 ireo mpanara-dia maty lavon’ny balan’ny dahalo, ka iray amin’ireo namoy ny ainy dia zandary tsipika roa (G2C). Dahalo 30 nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika tao amin’ny tanànan’i Betaimboraka, ny marainan’ny zoma teo. Very tamin’izany ny omby 30 mahery. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny mpitandro ny filaminana nampian’ny fokonolona avy amina tanàna roa. Raikitra ny fifampitifirana avy eo, ka teo no nahalavo an’ireto mpanara-dia.
# Morombe. Mpividy omby maty voatifitra, lasa ny volabe. Tsy voafehy ny fiparitahan’ny basy izay mampirongatra ny tsy fandriampahalemana sy ny asa ratsy isan-karazany eto amintsika. Ny alin’ny zoma teo, tany amin’ny distrikan’i Morombe, dia mpividy omby iray no maty notifirin’ny jiolahy teo amin’ny kibony, ary lasany volabe tany aminy saika hividianana omby, izay tsy voafaritra mazava aloha hatreto hoe ohatrinona marina, raha ny vaovao voaray? Avy nisotrosotro tamina “ bar ” iray ity mpividy omby ity, saika hamonjy ny trano nivantanany, no nisy nanafika sy nitifitra teny an-dàlana.
Eric Manitrisa


