- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra fiara : Mazda roa very teny amin’ny 67 Ha, hita tany...

Halatra fiara : Mazda roa very teny amin’ny 67 Ha, hita tany Betafo

Efa ho tapa-bolana izao ny nandrenesana ny fahaverezan’ireto fiara Mazda ireto , izay very tao amin’ny 67 Ha Antananarivo renivohitra. Taorian’ny fampandrenesana nataon’ny tompon’ny fiara dia  efa niasa mangina ny polisim-pirenena nikaroka ireo fiara ireo sy izay olona mety ho nahavonona ity halatra be vava ity.

Nahitam-bokany izany, fa saron’ny polisy tao Betafo ny faran’ny herinandro lasa teo ny jiolahy mpangalatra nahavita nanodinkodina ireto fiara roa ireto. Vaovao avy tamin’ny olon-tsotra no nahafantarana fa misy fatina fiara miafina anaty ala tao amin’ny kaominina Alakamisy Anativato, distrikan’i Betafo. Tsy niandry ela ny polisy fa avy hatrany dia nanao ny fizahana. Taorian’ny fanadihadiana dia olona iray no nosavaina trano rehefa nahazoana alalana tamin’ny Fitsarana. Tsy afa-niala intsony ny lehilahy iray fa mbola tratra tao an-tranony ny kojakojan’ilay fiara rehetra. Marihana fa dia efa rava tanteraka ny Mazda iray, efa lasa « pièce détachée » araka ny fitenenana. Hatramin’ny vatan’ilay fiara moa, araka ny loharanom-baovao, dia efa potika ihany koa.  Tsy nisy nihetsika kosa ilay fiara iray hafa fa ny laharany no novain’ireo jiolahy. Nanoro ny namany nanatanteraka ny asa ratsiny ilay vosambotra sy ireo olona nividy ny entana halatra, ka hatreto dia nahatratra efatra no efa voasambotra  ary nentin’ny BC Antananarivo any an-denivohitra ny alahady lasa teo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici