Ny sabotsy 25 jolay tokony ho tamin’ny roa ora maraina dia naharay antso an-tariby tamin’olona tsara sitrapo ny zandary tao Bemasoandro Itaosy. Nisy olona roa lahy nihaodihaody tao an-tanàna, izay tsy fantatra sy tsy mponina eny amin’ny manodidina. Poa tahaka izay dia tonga teny an- toerana ireo mpitandro filaminana. Avy hatrany dia natao ny fisavana azy roa lahy ireto, ka nahatratrarana baramina sy “pince coupante” ary maritoa teny amin’izy ireo. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany teny amin’ny biraon’ny zandarimaria izy ireo ka niaiky fa saika hamaky trano teny amin’ny manodidina izao hitan’ny mpitandro filaminana izao. Entanina hatrany moa ny mponina mba hiantso haingana ny zandary raha vao mahita trangan-javatra mampiahiahy mba hahafahana mandray ny andraikitra avy hatrany, mba hisorohana ny mety ho fahafatesan’ireo voatafika na fahaverezam-pananana.
Alem