# Hanara-maso ny fifidianana ihany koa ny pôlisy nasionaly. Nahazo karatra hahafahana mivezivezy eny anivon’ny biraom-pifidianana mba hanara-maso ireo tale noho ny miakatra eo anivon’io vondrona io. Mazava hoazy fa raha misy ny fihoarana izany dia heverina fa hisy avy hatrany ny fandraisana fepetra avy amin’ireo tompon’andraikitra ambony izay hivezivezy ireo.
# Telo lahy nanafika ireny “cash point” ireny no voasambotra tamin’ny omaly sy afak’omaly. Vola mitentina 5 tapitrisa ariary no lasan’ireo nandritry ny fanafihana tamin’ny 19 jiona lasa teo. Nisokatra ny fanadihadiana izy niafara tamin’ny fisamborana azy ireo. Raha ny fanazavan’ny pôlisy dia maty voatifitra ny iray ary ny faharoa kosa nisaoty teny ambony fiara ka namoy ny ainy raha saika hitsoaka.
# Nisy ny fanadihadiana nisokatra mahakasika ilay mpitsikilo izay voaarom-paosy tao anatin’ny toeram-panaovana propagandy. Isan’ny nofantarina raha nisy tokoa ny fametraham-pitoriana nanjo ilay olona nokasihany tanana na tsia. Hatramin’ny omaly aloha dia mbola tsy tonga teny am-pelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana izany.
D.R