- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Ankizy vavy 15 taona, maty notontana vato teo amin’ny lohany

Sambava : Ankizy vavy 15 taona, maty notontana vato teo amin’ny lohany

Tamin’ny  22 jolay teo, tao amin’ny fokontany Andampy, kaominina ambanivohitra Nosiarina, distrikan’i Sambava, no nisy zazavavy kely iray 15 taona maty novelesin’ny olon-tsy fantatra tany an-tsaha, rehefa nirahin-dray aman-dreniny haka anana tany an-tanimbolin’izy ireo mba hatao laoka amin’ny sakafo antoandro. Tokony hiverina  an-tokatranon-dray aman-dreniny izy tamin’ny antoandron’io ihany. Tsy tafaverina anefa ilay zaza hatramin’ny 2 ora tolakandro. Sahiran-tsaina noho io toe-javatra io ireo tao an-trano, ka lasa nanara-dia sy nikaroka azy tany an-tsaha sy an-tanimboly rehetra tany, niaraka tamin’ny fianakaviana tratra antso. Tsy hitan’izy ireo ilay zaza raha tsy efa tamin’ny 9 ora alina, ary efa maty. Vaky ny lohany, nihosin-drà ny tarehiny ary nahitan’ireo mpanara-dia sy ny dokotera ary ny zandary nijery ny razana tany an-toerana ny vato milanja kilao eo ho eo, feno rà nisy nametraka lavitra ny lohan’ilay zazavavy. Lehilahy iray no nahiahian’ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany ho nahavita ny heloka  ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tany an-toerana.

 »Efa eo am-pelantananay zandary ato amin’ny Tobim-paritra ny Zandarimariam-pirenena eto Sambava ny raharaha ka efa mandeha ny fanadihadiana sy famotorana ary ny fikarohana ny nahavanon-doza », hoy ny kaomandin’ity tobim-paritry ny zandary ity.

REMI, Rakotonirina

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici