Vokatra vonjimaika (première tendance) azo tamina biraom-pifidianana vitsy misy ao Toliara (fokontany Tolliara-centre, Tsimenatse, Mahavatse), tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, dia mitarika amin’ny isam-bato 589 ny kandidàn’ny MTS Ramose Jean Pierre. Laharana faharoa ny kandidàn’ny HVM (315), ny kandidàn’ny « Hiaraka Isika » Camille Vital, laharana fahatelo (nahazo vato 292) ary laharana fahefatra ny kandidan’ny Tomira, Dédé Vitason (264). 5 605 ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana, raha ny 1 669 amin’ireo no tonga nandatsa-bato nanefa ny adidiny. 113 kosa ny vato maty sy fotsy tsy nanan-kery. Ambany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tamin’ity fifidianana kaominaly ity, satria manodidina ny 30%.
Raha iverenana ny andro omaly, dia maro ireo tsy fanarahan-dalàna sy hosoka hita tao Toliara. Anisan’izany ny fananan’ny mpifidy iray kara-pifidianana efatra, toy ny hita tao amin’ny biraom-pandatsaham-bato Mahavatse sy Tsimenatse. Betsaka ireo olona manana kara-pifidianana niveri-maina sady tezitra tsy afa-nifidy, fa tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana, ka anisan’izany ny kandidà Camille Vital. Ny ankamaroan’ireo bileta tokana tamin’ireo biraom-pandatsaham-bato dia tsy misy laharana na numéro de série avokoa, hoy ireo kandidà.
Nanaitra ny rehetra nahita an’ireto andian-jatovo teo anoloan’ny biraom-pandatsaham-bato nizara ireo kara-pifidianana marobe tsy nisy naka tany amin’ny fokontany, raha tokony ho andraikitr’ireto farany no nitety tokantrano nizara an’ izany tamin’ireo mpifidy. Teo ihany koa ireo olona marobe avy any ambanivohitra nokaramaina vola nifidy tao Toliara renivohitra, izay tsy nahafantatra akory ny biraom-pifidianana handatsahany vato, toy ny tranga nisy omaly antoandro, tao amin’ny EPP Betania. Vokatr’izany tsy fanarahan-dalàna hita izay, vao naraina nanombohan’ny latsa-bato dia efa nisy sahady ny korontana, sady ny ankamaroan’ ireo mpikambana tao amin’ny biraom-pifidianana nikaviavia tsy nahafehy ny andraikitra nankinina taminy.
Eric Manitrisa