
Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo omaly, raha mbola nifanaretsaka ny olona hamonjy fodiana, na koa handeha ho any amin’ny biraom-pifidianana mba hijery ny fivoaran’ny fandatsaham-bato, nisy lozam-pifamoivoizana nitranga teo Analamahitsy, izay antsoina hoe lalam-baovao. « Fiara mitondra ny marika Hyundai Starex iray izay nandeha mafy, telolahy no tao anatiny, no nandona olona roa izay handeha hividy zavatra tao amin’ny fivarotana an-tsisin-dàlana iray. Naratra mafy avy hatrany ireo vehivavy roa, 16 taona eo ho eo ny iray ary efa ramatoa kosa ny faharoa. Nentina tao amin’ny hopitaly akaiky indrindra ireo naratra » raha araka ny fanazavan’ny olona iray nahita ny zava-nitranga. Notohizan’ny loharanom-baovao hafa teo an-toerana indray fa nitsoaka ny roa tamin’ireo mpandeha tao anatin’ny fiara, izany hoe ireo roalahy. Ilay saofera kosa tsy afa-niala fa tavela teo ambony familiana. Vetivety foana dia feno olona teo amin’ilay fiara. Nirohotra nijery ifotony ny olona ka tao ihany koa ny nentin-katezerana. Nisy ny nilaza fa mammon-toaka ny mpamily ka izany no antony nahatonga ny loza. Tafatodika tanteraka ilay fiara noho ny hamafin’ny dona. « Feon-javatra toy ny nirefotra no nanaitra anay teto amin’ny manodidina ka nijery avy hatrany ny zava-nisy. Vehivavy roa efa naratra mafy ary nitsirara tamin’ny tany no hitanay » raha araka ny fanazan’ny olona iray teny an-toerana. Tapaka tanteraka ny làlana teo amin’io lalam-baovao io omaly efa hatramin’ny fotoana nanoratanay. Niteraka fitohanana be izany teny an-toerana. Nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny mpitandro ny filaminana ary nentin’izy ireo niaraka taminy ilay mpamily.
D.R