- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsakaviro : Mpangarom-paosy tratra tao anaty Taxi-be

Antsakaviro : Mpangarom-paosy tratra tao anaty Taxi-be

Tsy lasa lavitra ny lehilahy iray kinga tokoa amin’ny fangaronana paosy anaty taxi-be, dia tratran’ny olona. Nentina tany amin’ny biraon’ny polisy ao amin’ny boriboritany faharoa izy. Tsy afaka niala satria tratra tany am-paosiny ny zavatra nafeniny. Finday iray naneno rehefa nantsoin’ny tompony. Ny alarobia lasa teo no niseho ny asa ratsy natoan’ity bandy ity ary nolazainy fa zavatra fanaony izany. Io andro io, nandeha taxi-be izy ary efa notiliany ilay olona horobainy. Teny Antsakaviro, mody nanakaiky ilay olona izy. Raha vao nidina ny fiara ilay remby, nosintoniny mora foana ny sakaosiny. Efa lasany ny zavatra vao gaga ny tompony ary niantsoantso. Nenjehiny ilay mpangalatra ary tratra. Teny aminy ny sakaosy ary naveriny tamin’ny tompony. Tsy tao intsony anefa ny finday sy ilay “porte feuille”. Teo no ho eo dia nentina tany amin’ny biraon’ny polisy izy. Nandà ho tsy naka ireo zavatra tsy hita. Natsoina ny tompon’ny sakaosy. Nasaina nantsoiny ny nomeraon’ny finday ary dia teo no sarona ny nafenina. Naneno tao am-paosin’ilay bandy ilay izy. Tsy afaka nandà ny fiampangana azy intsony ny anao lahy ary nanaiky fa fangaraonam-paosy no asany, hoy ny vaovao avy amin’ny polisy.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici