Ny alakamsiy teo, vao nanomboka ho maizina ny andro, jiolahy hatrany amin’ny 7 tany no nandroba « abattoirs » roa teny Ampasika. Voalazan’ny vaovao fa mbola nisy mpividy hena teny an-toerana tamin’izay. Amoron-dalana moa no misy an’ireo toerana voaroba ireo ka tsy sarotra tamin’ireo olon-dratsy no naka izay notadiaviny. Nandrasan’ireo jiolahy niala ireo mpividy ary avy hatrany dia noraofiny ny vola rehetra teo ambony latabatra ary dia lasa nandeha izy ireo. Nahatratra hatrany amin’ny 5 tapitrisa ariary latsaka kely no lasa, niampy finday roa. Tsy naharitra iray minitra akory izany zavatra izany, hoy ny resaka re teny an-toerana. Fiara 4X4 no nentin’ireo jiolahy. Fiara izay tsy nisy namantarana azy. Teo am-pandosirana, napoakan-dry zalahy indray mandeha ny basy teny aminy nampitahorana ireo izay mety ho sahy hanenjika azy ireo. Araka ny loharanom-baovao hatrany, PA iray, basim-borona iray ary sabatra no teny amin’ireo mpangalatra ireo. Tsy nisy afaka nihetsika ny rehetra. Raha ny fandehan-javatra dia efa fantatr’ireo bandy tsara ny toerana hasiany sy ny fombafomban’ireo mpivarotra. Efa dila ry zalahy vao nisy afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana. Tonga ireto farany nizaha ny zava-nisy. Ny zandary ao amin’ny borigadin’Itaosy no manao ny fanadihadiana mikasika ity fandrobana ity.
Nangina andro vitsy ny fanafihana mitam-piadina aty Andrenivohitra dia izao miverina izao indray.
r.s.