- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Tsy ampy taona manendaka, voasambotry ny pôlisy

Analakely : Tsy ampy taona manendaka, voasambotry ny pôlisy

MPANENDAKA-1Tovolahy kely miisa telo, kingalahy amin’ny fanendahana, no voasambotry ny pôlisy teny Analakely ny alakamisy lasa teo. Raha ny vaovao voaray avy amin’ny pôlisy dia tsy ampy taona avokoa izy ireto, satria dia 11 taona no kely indrindra ary 16 ny zokiny. Tratra ambodiomby teo am-panendahana ramatoa iray ireto kilongalahy mpanendaka ireto, teny amin’iny faritry ny Gara iny, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro teo. Niantso vonjy avy hatrany ity ramatoa ity ka nanaitra ireo mpitandro filaminana tsy manao fanamiana mihaodihaody eny an-toerana. Raikitra avy hatrany ny fifanenjahana ka nahatratarana azy telolahy ireto. Efa tena kinga mihitsy izy ireo, raha ny loharanom-baovao hatrany, amin’ity resaka harom-paosy sy sinto-mahery ity. Efa tsy ialàna “lame” ihany koa any amin’izy ireo, raha ny tatitra hatrany. Natolotra avy hatrany teny amin’ny Fampanoavana izy ireo ary nalefa avy hatrany eny Antanimora, hoy hatrany ny vaovao.

r.s

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici