Nitrangana haintrano mahatsiravina indray teto Antsirabe, omaly tokony ho tamin’ny 4 ora teo ho eo.
Trano telo no indray kilan’ny afo, tsy nisy azo noraisina intsony fa levona tanteraka, raha toa ka voatery noravana kosa ny iray hanavotana ny fananana tao anatiny. Tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra tao amin’ireo trano telo, fa dia lasa lavenona sy potika avokoa, ankoatra ny noravana namonoana ny afo. Tokantrano efatra noho izany no tsy manan-kialofana intsony ao Atsimontsena amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 20 mianaka eo no isan’ireto traboina tsy fidiny ireto. Nisy tamin’ireo fianakaviana no nitahiry vola tao an-trano, nambaran’ilay raim-pianakaviana fa, vola hanomanana famadihana mitentina 1 tapitrisa mahery teo ho eo nefa dia izao levon’ny afo tao anaty minitra vitsy izao. Ankoatra izay, dia tokantrano hafa ihany koa no mbola nahitana tambatrana-vola maromaro kilan’ny afo nandritra ny famonoana ny afo.
Tsy fantatra mazava tsara izay tena niandohan’ny afo, fa raha ny fitantaran’ny olona teny an-toerana, dia ankizy nanao tsikonina no nipoiran’ny afo. Ankizy nilalao no nahatsikaritra ny afo ka nampandre ny ray aman-dreniny, tsy voafehy intsony anefa izany fa efa nijoajoala nanenika ny trano iray manontolo, trano hazo rahateo ireo may ireo ary nifanakaiky daholo ka vetivety dia niitatra. Nisy tamin’ireo trano no mbola nisy biby fiompy toy akoho sy kisoa fa avotry ny olona soamantsara ihany.
Fa tsy ilaozan’ny mpananaraotra matetika rehefa misy voina toy izao, nandritra ny fandravana ny trano iray voalaza etsy ambony, mba hanavotana ny entana tao an-trano, dia nisy nanararaotra nangalatra ny entana sy vola tao amin’ity tokantrano ity. Vahoaka maro be rahateo no tonga namono ny afo ka tsy fantatra intsony izay olon-dratsy hoy ilay traboina.
Tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany no tonga teny an-toerana ny fiara mpamonjy voina an’ny “groupe socota” izay namehy ny afo, marihina moa isan’ny olan’ny kaominina eto Antsirabe ambonivohitra ny tsy fananana irony fiara mpamono afo irony, ka matetika dia sarotra hatrany ny mamehy ny loza raha tsy tonga ny fiaran’ny Cotona.
Andry N.