- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTandremo ny mpisoloky

Tandremo ny mpisoloky

Ankizy vavy iray no sendra mpisoloky, omaly. Araka ny vaovao dia niara niditra tao amin’ny toeram-piasana iray ny olona roa, vavy daholo. Toa hoe nilaza ilay mpisoloky fa mahatafiditra miasa ao amin’io toerana io. Rehefa teo am-baravarana dia nilaza ilay mpisoloky fa mila ny nomeraon’ny telefonin’ilay ankizy vavy. Tsy nisy azo nanoratana anefa tany aminy koa dia ilay finday mihitsy no nomena ilay mpandrebireby. Tetsy andaniny, nasainy nanao “photo copie” ny karapanondrony tany ivelany ilay ankizy vavy. Dia lasa nandeha tokoa. Araka ny fantatra hatrany, vao dify io ankizy vavy io, nivoaka koa ilay vehivavy iray nisoloky azy. Rehefa tafaverina ilay voambaka dia tsy nahalala nanontany fa niandry teo an-tokotany nandritra ny ora roa mahery. Efa tamin’ny 12 ora tany ho any vao tonga saina nanontany. Tsy hita intsony ilay ramatoa fa efa lasa. Araka izany, lasany ny findain’ilay ankizy.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici