Mba hahazoana ny paoketra teny aminy, dia notsatohana antsy teo amin’ny tendany izy. Izany no nitranga tao Toamasina, ny alin’ny talata teo. Manodidina ny tamin’ny folo ora alina no nitranga ity fanendahana; izay niafara tamin’ny vono olona ity. I Gilbert, rangahy 40 taona mpanamboatra télé sy radio simba, no handeha hamonjy fodiana niaraka tamin’ny vadiny. Nifanehitra tamin’ny efa-dahy nitazona antsy lava izy ireo. Nosintonin’ireo olon-dratsy ny paoketra teny amin’ilay ramatoa. Hitan’i Gilbert izany, ka nahatonga azy nanohitra. Tsatoka antsy avy hatrany anefa no valin’izany ary tsy vitan’izay fa, tsatokaantsy natao hamonoana mihitsy, satria teo amin’ny tendany no nokendrena. Naheno ny hiaka ny olona teo amin’ny manodidina, indrindra ireo vatan-dehilahy mbola nisotrosotro tao anaty “bar” iray teo an-toerana. Rangahy efa nitsirara tamin’ny tany ary efa nihoson-drà no hitan’ireo teo. Nezahina ihany ny nanaraka ny dian’ireo olon-dratsy, saingy nanjavona tany anaty elakelaken-trano maizin’i Mangarivotra ireo olona. Tonga teo ihany koa ny mpitandro ny filaminana ary niezaka nizaha ny manodidina, saingy tsy nisy hita intsony na ny dian-tongotry ny olon-dratsy aza. Nampihoron-koditra ny mponin’i Toamasina ity tranga ity, satria raha mba efa tonitony ny tsy fandriampahalemana teo aloha teo noho ny nahazoan’ny pôlisy ireo mpanendaka marobe; izay maro amin’ireo ny tsy ampy taona, ity tranga ity dia nanaporofo indray fa mbola misy ny toerana mena amin’ny asan-jiolahy ao an-drenivohitry Betsimisaraka.
D.R