Raha nangingina ny teny amin’ny 67ha, Andohatapenaka sy ny tariny iny, nifindra toeran-kafa indray ireo olon-dratsy mpanendaka anaty fiara.
Nisehoana fanendahana tanaty fiara indray teny amin’iny faritra Ivandry iny, omaly maraina. Araka ny fintataran’ny olona teny an-toerana, dia vehivavy iray avy naka vola tao amin’ny banky tsy lavitra ny tobin-dasantsy iray no nifandrombahana telolahy nitondra fitaovam-piadiana, tao anatin’ny fiarany. « Efa maromaro ihany no tratran’ny toy ny nahazo an’ity ramatoa ity, hoy ireo mponina eny amin’iny toerana iny. Tsy ampoizina mihitsy ireo olon-dratsy, satria dia mitondra fiara tsara tarehy izy ireo». Tsy fantatra mihitsy araka izany ny maha jiolahy azy raha ny fijery ety ivelany. Efa manana tetik’ady matotra ihany koa izy ireo, satria dia misy ny iray amin’ireo olon-dratsy no mitily ireo olona maka vola amin’ireny fizarana vola eny amin’ny banky ireny. Tamin’ity nahavoa an’ity ramatoa ity, raha ny filazan’ireo nanatri-maso, dia fantatr’ireo jiolahy hatramin’ny vola nalainy. Arahiny amin’ny fiara avy ato aoriana ilay olona avy eo. Rehefa tonga amin’ny toerana mangina, dia somary dominy ilay fiara. Mazava ho azy fa tsy maintsy mijanona ilay fiara voadona ka amin’izay fotoana izay no hantanterahan’izy ireo ny asa ratsiny. Ao anatin’ny fotoana fohy monja izany, ary indraindray tsy misy mpahafantatra akory, raha tsy ireo olona miantso vonjy sy mitantara ny zavatra mahazo azy sisa no fantatra, hoy ny fanazavana azo teny an-toerana.
Ny alatsinainy lasa teo ihany koa no nisy teratany vahiny miasa any Toamasina ary saika haka rivotra aty Andrenivohitra, no voaendaka teny amin’iny faritra Ivandry iny. Niampanampana nilavonjy tamin’ireo mponina teny amin’iny faritra Amboniloha ny tenany. Raha ny fitantarany, dia vehivavy avy nentiny tany Analamahitsy no nanjono azy. Nony tonga teo Ivandry anefa, dia tovolahy ranjanana telo no niditra amboletra sy nanambana fitaovam-piadiana tao amin’ilay fiara nisy azy. Lasa tamin’izany ny kitapo nisy ny vola rehetra, ny finday ary ny taratasy momba azy. Vita ny asa ratsiny dia lasa tamina fiara, efa niandry azy tsy lavitra teo ireo jiolahy telo, niaraka tamin’ilay vehivavy.
m.L