Tao ny nihomehy, tao ihany koa ny sosotra, satria miendrika faniratsiràna ilay zava-nitranga. Lehilahy roa, teratany libiana ny iray amin’ireo, no hitan’ny olona nanao firaisana tao anaty fiara. Ny alin’ny alakamisy teo no nitrangan’izany, tao anaty faritry ny hopitaly. Nodondomin’ny olona ny fiara ary noroahina teo an-toerana ireo roa lahy, izay sarim-bavy nanao ny filàny tao anatiny. Nikisaka tokoa izy ireo, saingy teo amin’ny toerana nijanonany fanindroany dia mbola nitohy indray ny…raharaha. Nihozongozona ny fiara ary dia efa fantatry ny besinimaro ny zava-nitranga tao anatiny. Raha araka ny fitantaran’ny olona teo an-toerana dia avy nandona teratany vahiny iray hafa ilay libiana. Voatery nentina teny amin’ny sampana famelomana aina izy io noho ny ratra nahazo azy. Izy anefa, raha araka ny fanazavana azo hatrany, dia niaraka tamin’ny sipany izay lehilahy ihany koa. Izany hoe mbola sarim-bavy koa izany izy roa ireo. Hatreo dia tsy mbola nisy nifankahalala loatra ilay mpamily sy ireo “mpisipa”, tsy nisy nieritreritra rahateo ny nifampanontany, satria vonjy aina no nahamaika. Saingy niova tsikelikely ny resaka rehefa teny an-dàlana. Nisy ny fifanintomana teo amin’ilay mpamily sy ilay sarim-bavy iray. Nandeha tsikelikely ny resaka, ilay vazaha naratra rahateo tsy nahatsikaritra izany intsony noho ny fahavoazana nanjo azy. Tsy niandry ela fa tafiditra tao anaty efitrano fitsaboana ny narary dia efa nanao ny nataony ny mpitondra azy. Niditra haingana tao anaty fiara dia nanao firaisana izy roa lahy. Vetivety dia nihodina eraky ny hopitaly ny feo. Tsy nisy henatra mihitsy mantsy ireo sarim-bavy na dia nisy olona nijery izao aza. Asa tsy fantany angamba fa heloka mamoafady ny fanaovana firaisana imasom-bahoaka. Tsy tonga tamin’ny fitoriana moa ny raharaha, satria samy maika hamonjy ny marariny avokoa ny rehetra, ka tsy dia nanam-potoana ny hitsongolohana sy handehanana lavitra…
D.R