- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Kandidà ben’ny tanàna norotahan’ny olona

Toliara : Kandidà ben’ny tanàna norotahan’ny olona

Sivy andro taty aorian’ny fahavitan’ny latsa-bato tamin’ny fifidianana kaominaly, ny zoma 31 jolay lasa teo, dia mbola misy amin’ireo kandidà nilatsaka hofidina ho ben’ny tanàna ao Toliara tsy nahaloa volan’ny « délégué de vote ». Tezitra ireto farany narirarira hatramin’izay ka nitroatra. Nitsoaka mihitsy ity kandidà bokan-trosa ity, ny zoma hariva sy sabotsy naraina teo fa norotahan’ny olona. Nanome fepotoana hatramin’ny anio ireto « délègue de vote » fa raha sanatria tsy voaray androany ny vola nifanarahana, dia haka ny entan’ilay kandidà any an-trano ry zareo hatao solom-bola. Raha ny tsilian-tsofina tamin’ny angom-baovao dia hivaro-pananana ity kandidà nilaza fa bokan-trosa sy diso fanantenana ity, hanonerana sy handoavana ny volan’olona.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici