- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversBeloha Androy : Vehivavy bevohoka maty nofirain’ny dahalo famaky

Beloha Androy : Vehivavy bevohoka maty nofirain’ny dahalo famaky

Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika indray tany amin’ny distrikan’i Beloha, faritra Androy, ny faran’ny herinandro teo. Andian-dahalo am-polony nirongo basy no nanafika tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Marolinta. Raha vao tafiditra tamin’ny tokantrano iray ireo malaso tonga dia nanao tifitra variraraka avy hatrany. Voatifitra teo amin’ny sandriny ilay rangahy tompon-trano sady mbola narahin’ireo dahalo daroka nandrahonana azy hamoaka ny vola rehetra tao an-trano. Nilaza ho tsy manana ity raim-pianakaviana ka mbola notifirin’ireo olon-dratsy tamin’ny feny, sady nokapain’ireto mpandroba tamin’ny famaky tsy nananan’izy ireo antra ny lohan-dramatoa vadiny bevohoka. Hozatra kely sisa nitazona ny lohan’ilay vehivavy, izay maty teo no ho eo. Araka ny vaovao voaray dia tsy nandositra tanam-polo ireo dahalo tsy nahazo ny rembiny tamin’ity tokantrano iray ity, fa lasa nanafika valan’omby akaiky teo. Nanapoaka basy hatrany izy ireo mba hampitahorana ny mponina teo an-tanàna. Omby 40 no lasan’ireo malaso. Afaka adiny iray taty aoriana vao nanao ny fanarahan-dia ny vantan-dehilahy teo an-tanàna. Tao anatin’ny fifampitifirana dia dahalo iray no namoy ny ainy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici