Rongony 2 gony milanja 70kg no tratra teny Ambohijafy-Bemasoandro ny Sabotsy hariva lasa teo
Ny sabotsy hariva efa maizina iny no niantso ny zandary tetsy Itaosy ny olona teny amin’ny manodidina, ary nambaran’izy ireo tamin’izany fa misy olona roa lahy mihaodihaody eny sady mivimbina gony; vao naheno ny antso ireto zandary dia nidina teny an-toerana.,ny toerana rahateo koa moa tsy dia mifanalavitra.
Vao tonga teo an-toerana anefa ireto mpitandro ny filaminana dia lasa nitsoaka izy roalahy ireto, avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana ary dia tafatsofoka elakelan-trano izy roalahy mpivarotra rongony, avy hatrany dia natsipiny ilay gony ka tsy hita intsony izay nanjavonany, ny andro rahateo efa maizina. Avy hatrany moa dia nogiazina ireto gony ireto ary efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Raha ny vinavina dia mety ho saika varotana teny amin’ny manodididna ireo rongony ireo izao tratry ny sakoroka izao. Kany hany hery dia ny nitsoaka sy natahotra ny fisamborana.
Alem