Teratany afrikana iray no sendra ny patsa iray tsy omby vava, ny faran’ny herinandro teo, raha saika haka fahafinaretana tamina tovovavy iray, teny amin’iny faritra Analamahitsy iny. Tsy nisy afa-tsy ny akanjo teny an-kodiny sisa mantsy no navelan’ilay tovovavy, raha nifoha maraina ny lehilahy. Lasa avokoa ireo fitaovana sarobidy tany aminy, ny finday, ny solosaina, ny « porte-feuille » nisy vola sy ny taratasy rehetra momba ity vahiny ity, hatramin’ny valizy nisy ny entana aza tsy nisy tavela. Raha ny fitantarany , dia tsy nizotra tsara ny revin’ny alina ny fisotrosotroana sy ny fiarahana. Fa nony natory izy dia tsy nahare izay ambonin’ny tany intsony. Tsy niverina ny sainy raha tsy efa antoandro, nahatsikaritra ny fahaverezan’ireo entany. Tato ho ato tokoa dia lasa mirongatra indray ity fanendahana terantany vahiny ity. Isan’ny malaza amin’izany ihany koa ny eny amin’iny faritry Faravohitra sy ny manodidina iny. Indrindra ao anatin’ny fitohanan’ny fiara. Raha ny filazan’ireo mponina, dia tato anatin’ny andro vitsivitsy izay, efa terantany vahiny tsy latsaky ny efatra no very fitaovana sarobidy toy ny finday, solosaina fentin-tanana, sns teny amin’iny toerana. Saingy tsy izy ireo ihany fa na ireo teratany sendra mandeha irery amin’iny làlana iny aza, na alina io na antoandro. Ambonin’ireo mpandeha tongotra, dia lasibatra ihany koa ireo ao anaty fiara, raha ny fantatra hatrany. Ny pôlisy izay efa nampahafantatra ny tohin’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao, inoana fa hisy ny drafitra matipaika hoentin’izy ireo hanantanterahana izany.
m.L