- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFandrobana Viva Fianar : Tsy handefitra amin’ireo pôlisy mihoa-pefy ny lehibeny

Fandrobana Viva Fianar : Tsy handefitra amin’ireo pôlisy mihoa-pefy ny lehibeny

Mbola mitana ny sain’ireo mpanara-baovao ankehitriny, ny mikasika ilay fandrobana nahazo ny fahitalavitra sy onjampeo Viva, tany Fianarantsoa. Mandeha ny feo ankehitriny fa misy pôlisy voatonontonona ho isan’ireo nandray anjara tamin’izany fandrobana izany. Manoloana izany indrindra, dia nampiantso ny mpanao gazety ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny pôlisim-pirenena omaly. Nivohitra tamin’izany fa tsy handefitra mihitsy amin’ireo mpihoa-pefy ireo lehibeny, na iza io na iza, raha voamarina ny fisian’io fandraisana anjarana pôlisy io tao anatin’iny fandrobana iny. Efa mandeha rahateo ny famotorana ny momba izany. Tokony ho fakan-tahaka amin’ny fanarahan-dalàna sy fitsipika mifehy azy ny pôlisim-pirenena, ka hentitra ireo lehibeny. Porofo izany, hoy ny fanazavana hatrany fa, tsy misy kian-trano an-trano ao amin’ny pôlisim-pirenena. Fa mbola eo amin’izay porofo izay ihany koa, fantatra fa pôlisy  50 eo ho eo no miakatra « conseil de discipline » (codis), noho izay tsy fanarahan-dalàna izay. Ambonin’izay, nisy dimy kosa ireo nampidirina am-ponja vokatr’izay fihoaram-pefy izay, tamin’ity taona ity. Fa raha hiverenana kely ny momba ny toe-draharaha any Fianarantsoa. Taorian’ireny tranga ireny, raha araka ny vaovao voaray avy tany an-toerana, dia mbola tsy milamina ny  ao an-drenivohitr’i Betsileo ao. Raha ny fantatra hatrany dia feno mpitandro filaminana ny tanàna.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici