“Manodidina ny tamin’ny enina ora hariva no namoy ny ainyI Rasolofoson Andry, Zokin’I Kevin. Tao amin’ny sampana fameloman’aina izy no navoaka ary naterina tao amin’ny tranompaty” raha araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny hopitaly Hjra. Fahavakisan’ny taova (izay efa nodidiana) niaraka tamin’ny fahavoazana teo amin’ny loha (pitika vy nandratra ny lohany) no tena nitarika ny fahafatesany, raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny toeram-pitsaboana io hatrany. Efa nezahina navotana ny ainy nandritry ny dimy andro, ny marimarina kokoa, hatramin’ny asabotsy teo, saingy mafy loatra ho an’ny toe-batany izay mbola zaza ny fahavoazana nanjo azy. Omaly ihany dia efa niely ity vaovao izay nampalahelo loatra ny besinimaro ity. Tao anaty tambajotran-tserasera dia efa hita fa nangoraka ny olona manoloana ny zava-misy ka nanameloka ny asa fampihorohoroana. Maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny manamanjo izahay ary indrindra ho an’ilay reni-pianakaviana izay namoy ny zanany roa tao anatin’ny andro vitsivitsy noho ny hetraketraky ny sasany…
D.R