Taorian’ny nakana an-keriny ny tompon’ny tranom-barotra Conforama tamin’ny talata teo, miandry izay ho tohin’ny fandehan-javatra ny rehetra, na ny mpitandro filaminana izany na ny eo anivon’ny fianakaviana. Hatramin’izao, araka ny vaovao fantatra, tsy nandrenensam-peo ireo mpaka an-keriny. Tsy misy aloha araka izany ny fangatahana vola ho takalo. Sahiran-tsaina ireo rehetra voakasik’ity raharaha ity, satria nanjavona tsy fantatra izay nanjo ilay teratany karàna. Raha tsiahivina fohy ny zavatra niseho ny talata maraina dia voalaza fa olona dimy nitondra basy mahery vaika no naka an-keriny an’ilay rangahy teny Amparibe, tao amin’ny toerana fanaovany fanatanjahantena miaraka amin’ny vadiny. Voafitaka ny mpiandry vavahady. Tsy afaka nanao na inona na inona ny mpiambina azy, sendra ny tampoka. Lasan’ireo olon-dratsy hatramin’ny basiny. Nentina an-keriny niditra fiara ilay karàna ary hatreo dia tsy fantatra intsony izay misy azy. Mitaintaina mafy ny eo anivon’ny fianakaviambe karàna amin’izao fotoana izao. Na ry zareo aza mantsy tsy naharay voavao intsony. Samy miandry izay ho tohin’ny fangalana an-keriny ny rehetra.
r.s.