Aty Sambava dia mifoha marainabe ka mankeny an-tseranan-dakana ireo mpivaro-daoka lena eny an-tsena ireo mba hividy laoka lena azon’ireny mpanarato an-dranomasina amin’ny andro alina; izay miverina an-tanety amin’ny marainabe ireny. Mpivarotra laoka lena eny an-tsena ny foto-draharahan’ny ramatoa iray mponina ao Tsararivotra. Fokontany Ambodisatrana II, Kaominina ambonivohitra sady distrikan’i Sambava. Mitaiza ny zafiny vavy iray, 4 taona, izay nateraky ny zanaka lahiny ity ramatoa ity. Talohan’ny nikambanany tamin’ny lehilahy vadiny amin’izao fotoana izao koa no efa nitaizany io zafiny io.
Nambaran’ity ramatoa mpivaro-daoka lena eny an-tsena ity taminay fa, » matetika izy dia eo ho eo amin’ny 7 ora sy sasany na amin’ny 8 ora maraina dia miverina kely any an-tranony. Tamin’ny 04/08/2015 lasa teo anefa dia nitomany sy nitaraina ho narary teo amin’ny valahany io zafiny vavy io. Rahefa nojereny ny valahan’ilay zazakely dia akory ny hagagany, fa nivonto ary nihosina ra mifangaro nana ny teo amin’ny valahany . Efa tsy tao an-tranon’izy ireo tao koa ny lehilahy vadiny. Raha nanontaniana ilay zaza dia nambaran’ity zazavavy kely ity azy ny nataon’ilay raibekeliny taminy. Tsy nangataka andro intsony izy fa tonga dia nentiny teny amin’ny hopitalibe, eny amin’ny CHRR, ao amin’ny fokontany Betsopaka, kaominina ambonivohitra sady distrikan’i Sambava ilay zaza. Rahefa nojeren’ny dokotera ilay zaza, dia nohamarininy fa voaolana no nahavoa io zaza io. Telo andro eny amin’ny hopitaly izy ireo dia tsy nipoitra na nijery azy ireo ilay rangahy. Efa nametraka fitarainana teny amin’ny polisy ity ramatoa ity ary efa eo am-pikarohana an’ilay lehilahy vadiny nandositra ny mpitandro filaminana.
REMI, Rakotonirina