- Publicité SW45 -
vendredi, janvier 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnkasina : Mpangalatra nitsoraka tany anaty rano, hita faty omaly

Ankasina : Mpangalatra nitsoraka tany anaty rano, hita faty omaly

Nikaikona tanteraka ilay razana avy nampiakarina  tao anaty rano.
Nikaikona tanteraka ilay razana avy nampiakarina tao anaty rano.

Namoizany ny ain-dehibe ny nitsambikinany tany anaty rano. Natahotra ny fitsaram-bahoaka izy

Ny alin’ny alarobia teo, nisy lehilahy iray nangalatra teny amin’ny faritra Ankasina tsy lavitra ny 67 Ha. Henon’ny olona tsara ary nisy nahita ny fihetsiny ka raikitra ny antso vonjy , ny akora lava narahina fanenjehana azy io. Efa maizina ny andro tamin’izay. Tsy nahita làlana nombana ity olona ity ary nihevitra fa tsy hisy ahita azy intsony ireo olona marobe. Dia lasa nitsoraka tany anaty rano izy. Marihina fa tsy renirano io nandehanany io fa ireny honahona misy tsinkafona miforona amin’ny andro fahavaratra ireny. Tena mamitaka tokoa anefa ireny fa misy faran’izay lalina. Ny tena loza, mangatsiaka be any ambany any ary avy hatrany dia ngoly ny vatana rehetra, tsy afaka mihetsika intsony. Nanomboka teo, tsy hita izay nanjavonany. Dia samy lasa nandeha namonjy fodiana ny olona. Omaly maraina anefa, nisy nahatsikaritra fatin’olona natsingevan’ny rano teo amin’ilay nitsambikinan’ilay mpangalatra nenjehan’ny olona. Nampiakarina avy tao ny razana. Nitangorona ny rehetra nizaha ny zavanisy. Tonga teny an-toerana ihany koa ny tompon’andraikitra rehetra voakasik’ity zavatra ity, ny avy ao amin’ny fokontany, ny mpitandro filaminana. Toa tsy nisy nahafantatra azy ireo izay teny an-toerana rehefa nizaha ilay razana.

Tsy vao izao no naharenesana mpangalatra mandeha mandositra any anaty rano fa efa imbetska ihany izay. Manana ny tantarany Ikopa amin’izany. Maro tamin’izy ireo no dobo any ary ny fatiny sisa natsipin’ny rano mitsingevana.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser