Fantatra izao araka ny loharanom-baovoa voaray fa nohenoin’ny mpanao fanadihadiana ny mpiambina ilay karana tompon’ny Conforama nisy naka an-keriny teny Amparibe tamin’ny talata lasa teo. Voalaza mantsy fa lasan’ireo jiolahy ny basy teny aminy tamin’io andro io. Ankoatra izany, tsy misy mangirana ny amin’ity raharaha ity. Tsy misy vaovao voaray mihitsy mantsy mikasika izany. Tsy misy ihany koa fitakiana vola takalonaina.
r.s.