- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025

Tapatapany

# – Toamasina. Polisy iray voatifitra. Nafana dia nafana indray tany Toamasina ,ny alakamisy lasa teo. Polisy iray avy ao amin’ny BC mantsy no fantatra fa voatifitry ny jiolahy. Bala roa no niantefa teny aminy ary mbola manaraka fitsaboana izy amin’izao fotoana izao. Ny voavao voaray no nahalalana fa, mahakasika fakana ankeriny tany amin’iny tanàna iny ity zavatra ity. Raha nahatadidy isika, nisy fangalana ankeriny tany, volana roa lasa izay. Tsy nety nivaha anefa ny olona dia izao niafara tamin’ny fifampitifirana, andaniny, mpitandro filaminana, ankilany, ireo jiolay. Ho hita eo ihany ny tohiny.

#- Adrefan’Ambohijanahary. Karana iray nisy naka ankeriny. Ny zoma lasa teo, teratany karàna iray hafa indray, no voalaza fa nisy naka ankeriny teny Andrefanambohijanahary.  Mpivarotra kojakojana fiara sy kojakoja fanamboaran-trano ity olona ity. Tamin’ny fotoana nandehanany nody izay tsy lavitra eo ihany no namelezan-dry zalahy azy. Nisy bandy efatra nanatona ny fiarany. Novakian-dry zalahy ny fitaratra ary niditra izy ireo. Lasany any ny fiara sy ny olona, hoy ny vaovao. Tsy mbola nandrenesam-peo ity fangalana ankeriny ity hatramin’izao. Vehivavy iray niantsoantso no nanaitra ny rehetra.

# – Ankasina. Lehilahy hita faty tao an-tinimbary.  Omaly alahady maraina no nahitan’ny olona fatin-dehilahy iray to anaty tanimbary, teny Ankasina. Ny vaovao no nahafantarana fa ny sabotsy ity olona ity no efa tsy nody tany an-tranony. Mpandalo no nahita ny razana ary nampandre ny manodidina. Araka ny vaovao voaray hatrany, mbola nisy fofona toaka ity lehilahy ity tamin’ny fotoana nahitana ny fatiny.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici