- Publicité -
dimanche, novembre 9, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Zaza menavava nalain-drainy an-keriny

Toliara : Zaza menavava nalain-drainy an-keriny

Nisahotaka ny iray tanàna, ny asabotsy antoandro teo, tao amin’ny fokontany Amborongony Toliara, fa saika raikitra ny fitsaram-bahoaka. Zaza menavava telo volana no nalain-drainy an-keriny ary nentiny nanaraka azy. Raha ny fanazavana azo, dia nifankatia ireto tanora roa ka niteraka iray, nefa nosakanan’ireo ray aman-drenin-drazazavavy tsy hivady. Miteraka olana teo amin’ny fifankatiavan’izy roa kely izany fanakanana nataon’ny ray aman-drenin’io zazavavy io izany, ka voatery nampisara-toerana azy ireo.
Asa na noho ny fitiavana, na alahelon-janaka, fa tonga tao an- trano nisy ny renin-janany sy ny zanany vao menavava ity tovolahy ity, ary naka sy nitondra an-keriny, ilay zanany kely ho any aminy sy nilaza tamin’ilay olon-tiany : « raha tena tia ahy ianao dia manaraha ahy sy ny zanako ». Tezitra tamin’ny fihetsiny ny rafozan-dahiny ka nitsoka kiririoka nampandre ny fokonolona teo an-tanàna fa misy mpangala-jaza. Naverin’ilay tovolahy haingana tany amin’ny reniny io zanany menavava io ary lasa nitsoaka izy nanavotr’aina, noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici