Mpitarika sarety iray no fantatra, fa maty nisy namono teny Itaosy, tamin’ny asabotsy lasa teo. Voalazan’ny vaovao fa noloarana mihitsy ny masony ary anisan’ny niteraka ny fahafatesany izany. Re teny an-toerana fa toa lonilony teo amina olona roa no nahatonga izao famonoana izao. Raha ny marina kokoa dia ady sipa na halatra vady no tena izy, hoy ny vovao voaray. Raikitra ny ady teo amin’ny andaniny sy ankilany ary toa hoe efa nandrasan’ilay namono io fotona io. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny polisy eny an-toerana. Niafara tamin’ny fisamborana ilay nahavanona ny famonoana moa izany. Efa tazonina any amin’ny “violon” ilay voatondro fa namono. Eo anatrehan’ny tranga, nisavorovoro ny teny an-toerana. Fantatra mantsy fa tsy manaiky ity famonoana ity ny havan’ny maty ary voalaza fa misy ny konokonona hanao fitsaram-bahoaka. Efa voafehan’ny mpitandro filaminana anefa ny fandehan-javatra.
r.s.