- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025

Tapatapany

# – Ankorondrano. Miverina indray ny mpanendaka. Omaly hariva tokony ho tany amin’ny 7 ora hariva mahery kely tany, vehivavy iray monina ety Ankorondrano no sendra mpanendaka. Lasan’ilay jiolahy ny vola tao anaty poketrany. Tsy vitan’izany fa niharan’ny daroka totohondry sy zavatra hafa ilay ramtoa ary toa voambana basy mihitsy aza. Nitarainany ho naharary azy ny vatany iray manontolo. Niezaka niantso vonjy izy, nefa tsy naharitra ela ny zavatra nahazo azy. Efa lasa ilay jiolahy voa nisy olona tonga. Miverina indray araka izany ny endaka eny amin’iny faritra iny raha vao maizina ny andro. Hanairana ny mpitandro filaminana eny an-toerana ny tsy fandriam-pahalemana mitady hahazo vahana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici