- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversBenenitra : Lehilahy hita faty bory filahiana

Benenitra : Lehilahy hita faty bory filahiana

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona, voalaza fa sembana ara-tsaina no hita faty tany anaty kirihitr’ala, 12 km miala ny tanànan’ i Benenitra, afak’omaly, ary tsy teo amin’ny vatana mangatsiakany intsony ny maha lehilahy azy, fa toy ireny noboriana ireny, tamin’ny fotoana nahitana ny razana, hoy ny vaovao voaray. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany, dia mpiandry omby no nahita ny razana efa nanomboka ho simba. Fanontaniana mipetraka maha valalanina ny rehetra ny hoe : nohanin’ny biby ve ny fitaovam-pananahana tsy teo sa nisy nanongotra sy nanabory? Satria lasa lamaodin’ny olon-dratsy mantsy tato ho ato ity mandidy amin’ny zava-maranitra ny filahian’ireo olona novonoiny (trafikana taova ve ?). Tsy indray mandeha na indroa no nandrenesana tranga toy izao tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny !

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici