Dahalo iray indray no tratran’ny fokonolona, tany Fianarantsoa ary tsy namelan’izy ireo raha tsy tapitra ny ainy. Tsy vitan’izay fa mbola nomena ho hanin’ny alika ny fatin’ity dahalo ity avy eo. Ny zoma lasa teo, nisehoana fanafihan-dahalo tao Andrefan’Antsahamasina, Fianarantsoa. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia dahalo teo amin’ny 14 lahy teo no nanafika io tanana io. Tsy nanaiky izany anefa ny fokonolona fa rafitra nanenjika ireto mpanafika, ka nahatratrana ny lehilahy iray. Efa leo an’ity asan-dahalo tsy misy farany ity ireo fokonolona ka avy hatrany dia nampihatra ny hatezerany tamin’ity malaso tratra ity. Samy nanala ny fony ka tsy navelan’izy ireo raha tsy tapitra teo amin’ilay hazo nifatorany ny ainy. Raha ny vaovao azo hatrany dia navelan’izy ireo teo ny vatana mangatsiakan’ity olona ity ka ny alika ny namarana ny fampijaliana ity dahalo tratra ity. Efa tena leo tokoa ve sa tsy fahatokiana ny Fanjakana intsony, ka mahatonga ireo fokonolona hizotra ho any amin’ny fitsaram-bahoaka ? Amin’ny lafiny iray tokoa mantsy marary ny ain’ireo vahoaka, amin’ny famonoana tsy misy antra sy ny fandrobana ny fananany ka mahatonga azy ireo hitroatra. Etsy andanin’izay anefa, toa habibiana ihany indray ny tranga toa izao, ary melohin’ny lalàna tanteraka.
Nangonin’i m.L