- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Tovolahy mamon-drongony, nitetika olona tamin’ny famaky

Toliara II : Tovolahy mamon-drongony, nitetika olona tamin’ny famaky

Avy hatrany dia nokapakapain’ity tovolahy iray voalaza fa mamon-drongony ; izay efa tsy tompon’ny tenany intsony ny olona rehetra izay hitany teny an-dalana, amin’ny lalana iray mihazo ny tanànan’ Ankililoaka Toliara II, ny alahady teo. Raim-pianakaviana iray variana nandroaka sarety no naratra mafy. Nitsoaka kosa ilay nahavanon-doza rehefa vita ny habibiana. Romotry ny hatezerana ny olona ka nanenjika azy  hatreny an-tanimbary, nefa tsy tratra. Tafiditra tamin’ny kirihitr’ala amin’ny alan’i Mikea ity tovolahy nikapa olona tamin’ny famaky, dia tsy hita intsony, raha tsy izany dia saika matin’ny fitsaram-bahoaka teo, hoy ny vaovao voaray. Nilaza tsy nisy nahafantatra an’ity tovolahy mamon-drongony (adala ?) ity ny rehetra, raha ny fanamarihan’ny vaovao voaray hatrany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici