Zazalahy dimy taona nianjera avy eny ambony sarety feno entana, no maty nohosen’ny kodiarana, ny harivan’ny talata teo, tany amin’ny distrikan’ Ankazoabo-Atsimo. Araka ny vaovao voaray, dia taitra tampoka raha nifanena tamin’ny fiara iray tao anaty fidinana ny ombin-tsarety nandeha mafy nentin’ny rain’ilay ankizy namoy ny ainy. Iny niezaka nanajanona ny sarety iny ny rainy, no nikipily sy latsaka tampoka ny menaky ny ainy natory tao aoriana niaraka tamin-dramatoa vadiny, ka nohosen’ny kodiarana. Nezahina novonjena namonjy tobim-pahasalamana haingana, kanefa teny an-dàlana dia tapitra ny ainy.
Eric Manitrisa