- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Votsotra omaly ny tompon’ny Conforama

Kidnapping : Votsotra omaly ny tompon’ny Conforama

Araka ny vaovao voaray, omaly efa alina ihany, dia fantatra fa votsotra tokony ho tany amin’ny 8 ora tany ho any ilay teratany karana Rafik Jaffaraly, tompon’ny Conforama nisy naka an-keriny tamin’ny faha-11 aogositra lasa teo. Hatreo ihany anefa ny vaovao fantatra fa tsy misy ny antsipiriany. Tsy fantatra araka izany na nisy ny vola naloa na ahoana ary ohatrinona izany. Tao anatin’ny folo andro tsy nahitana an’ity olona ity dia maro ny resaka re tetsy sy teroa mikasika iny fangalana an-keriny iny. Re, araka ny resaka novoizina ihany, fa toa mahatratra hatrany amin’ny 3 miliara ny vola notakiana. Araka ny efa voalaza etsy ambony dia tsy nahazoana vaovao hafa mihitsy ity fakana an-keriny ity. Izy efa noafahan’ireo mpaka an-keriny ihany no fantatra.

Raha tsiahivina dia ny faha-11 aogositra izy no nalain’ny sasany an-keriny teny amin’ny kianja fanaovana fanatanjahantena tetsy amin’ny St Michel Amparibe rehefa avy namitaka ny mpiambina teny an-toerana ireo olon-dratsy. Jiolahy miisa dimy no nitondra azy tamin’izay. Tsy afaka nanao na inona na inona ilay zandary mpiambina azy. Voalaza aza fa lasan’ireo mpaka an-keriny ny basin’izy io. Niaraka tamin’ny vadiny ity karana ity. Tsy natao na inona na inona kosa anefa ramatoa fa navela teo. Nanomboka teo ny fikarohana nefa dia niala maina na ny polsiy na ny zandary izay nisahana izany. Tetsy andaniny moa, noho ny tahotra dia tsy afaka niara-niasa tamin’ireo mpitandro filaminana ireo mihitsy ny fianakavian’ilay karana.

Tsy mbola nandrenesam-peo kosa ny mikasika ilay karana faharoa nalain-dry zalahy teny amin’ny faritra Anosibe. Nisy moa ireo nilaza fa misy ifandraisany ireto fakana an-keriny roa ireto.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

6 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici