- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Andian’alika maromaro mandripaka valan-kisoa…

Ambositra : Andian’alika maromaro mandripaka valan-kisoa…

Hita sy tsapa tato ho ato eto an-tananan’Ambositra sy ny manodidina fa mitombo an’isa ireo alika mirenireny ary manao andiana maromaro.  Tsy vita ny mirenireny sy  mitady sakafo eran’ny tanànana ireto biby ireto fa mampitondra faisana ho an’ireo  izay tratrany sy atahorana ihany koa ny hitsanganana ny arimontana, toy ny efa niseho tao amin’ilany atsinanan’ny distrikan’Ambositra.

Ny alatsinainy  alina 17 aogositra sy ny atalata alina 18 aogositra lasa teo, dia nisy alika amin’ny andiany maromaro no nandripaka ireo vala kisoa tao  Ambohimiadana. Vokatr’izany maro ireo kisoa no naratra sy maty. Efa maro ireo valakisoa no  efa naripakin’ ireo andian’alika.   Na dia vonona aza ny tompony ny hiaro ny  fananany, dia tsapa fa tsy afa  nanohitra firy, fa tena nasiaka dia nasiaka  ireo alika nanao andiany maro maro. Eo anoloan’izany tsangan-javatra izany, dia mandry tsy lavo loha ireo mpiompy kisoa. Manampy trotraka an’izany ihany koa ireo mpangalatra amin’ny tsy fahandriampahalemana.

Koa manao antso ho an’ireo manampahefana mahefa ny mponina mba handray andraikitra amin’ny famonoana ireo alika mirenireny izay tsy mitsahatra ny mitombo an’isa. Fa indrindra amin’izao fialan-sasatra ny mpianatra izao izay maha be ny fifamoivoizina, ka mety hitera doza.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici