Hotanterahina ny sabotsy sy alahady ho avy izao, ny andron’ny Akany sosialy ao Rangaina. Mandritra izay fankalazana izany, dia hisy ny hetsika isan-karazany hatao mandritra an’io faran’ny herinandro io, toy ny : fanantanjahantena, ny varotra fampirantiana isan-karazany, ny fialamboly maro samihafa. Ambonin’izay raha ny fampahafantarana azo hatrany, dia hisy ihany koa ny fizaham-pahalasamana maimaimpoana, ary ny fanafody amin’ny vidiny mirary. Ankoatr’ireo, dia hisy tranom-boky hisokatra ho an’ny rehetra ihany koa ho hita eny an-toerana. Ny vola azo amin’io, raha ny fantatra dia entina hampandehanana ny asa sahanin’ny Akany Sosialy. Etsy andanin’izay, ny ampahany ho azo amin’io hetsika io dia hoentina manontolo ho fanampiana amin’ny asa fanitarana ny fiangonana. Manentana ny rehetra araka izany ny tompon’andraikitra, indrindra fa ireo zanaka ampielezana avy eny Rangaina, ho tonga maro sy handray anjara amin’ity hetsika ity. Marihina, fa hisy ny fivarotana sakafo masaka sy sahaza ny rehetra eny an-toerana, raha ny fampahafantarana azo hatrany.
Articles qui pourraient vous intéresser