Lasa lamaodin’ny tanora ao Toliara efa fanao an-taonany maro, ny « Manala azy vita Bacc ». Anisany mahaliana ny maro ny mandeha amin’ireny toeram-pandihizana na « boite de nuit » ireny. Feno hipoka avokoa ireo « discothèque » sy trano filanonana nikarakara hetsika notsidihana, nanomboka ny alin’ny zoma teo hatramin’ny omaly. Misy amin’ ireo tanora sasany miala voly no tsy nahafehy tena intsony dizin’ny toaka sy rongony. Ny alin’ny zoma hifoha ny asabotsy teo, tovovavy iray fefika nataon’ny alikaola nalemilemy voaolana. Tovovavy iray hafa mamo niady lehilahy (sipa) torana novelesin’ny rafivaviny tavoahangy. Zazalahy 17 taona mamo tampina niara-nirevy tamin’ny namany, nilaozan’ny bandy akama voaendaka. Silipo feno maloto (diky sy loa) sisa teny an-kodiny nentina nody, omaly naraim-be tokony ho tamin’ny efatra ora.
Eric Manitrisa