Noho ny tahotra ny higadra, tovolahy iray 23 taona nangalatra tao amin’ny toeram-piasany no namono tena nitelina karazam-panafody maro, ny asabotsy teo, tany Toliara. Raha ny vaovao voaray dia tra-tehaky ny mpampiasa azy namoaka entana an-tsokotsoko tao anaty magazay ity tovolahy ity, ny zoma lasa teo. Tohina mafy tamin’ny fihetsiny ny mpampiasa ka niteny mafy azy. Asa izay nahazo an’ity tovolahy ity na nentin’ny tahotra na antony hafa fa dia namono tena izy. Ity farany efa nalemilemy nivotirika maso tsy nahateny intsony no tsikaritr’ireo miara-mipetraka aminy ka nikoropaka ny rehetra tao an-trano. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Avotra ny ainy na dia mbola manaraka fitsaboana amin’izao.
Eric Manitrisa