Lehilahy iray voalaza ho mpamatsy basy sy rongony ary fanafody gasy ny dahalo any amin’ny distrikan’i Midongy Atsimo, no voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra ny hetsika fampandrian-tany, ny herinandro lasa teo. Tafaporitsaka kosa ny roalahy namany. Araka ny loharanom-baovao, dia mpampanofa basy sy mpivarotra basy sy rongony no asan’ireto telolahy. Manodidina ny 6 hetsy ka hatramin’ny iray tapitrisa ariary no amarotan’izy ireo izany. Raikitra avy hatrany ny fisamborana taorian’ny fanomezam-baovao marim-pototra, ny mpitandro filaminana. Nohodidinin’ireto farany ny trano iray ao an-tampon-tanànan’i Midongy Atsimo fieren’ireo mpibizina basy. Tamin’ny fotoana nisavana ny trano no tafatsoaka ny roalahy raha azo sambo-belona ity iray. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia mbola nahitana fanamiana miaramila maro, rongony ary karazana mohara tao. Anisany antony iray mampirongatra ny asan-dahalo sy asa ratsy hafa any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana sy zava-mahadomelina. Miandahy miambavy ireo malaso mampihorohoro mampiasa basy sy zava-maranitra ary ody bala.
Eric Manitrisa