- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Olona enina no efa matin’ny pesta

Moramanga : Olona enina no efa matin’ny pesta

Tafakatra enina ireo olona no matin’ny pesta amin’ny tratra, ny 25 aogositra, eto Moramanga araky ny fanambaran’ny Dr Ralaivao Jaona tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny hopitaliben’i Moramanga. Ao amin’ny kaominina Ampasipotsy gara ao anatin’ny fokontanin’i Tsiazompody ao anatin’ny faritra Antsahatsihanalina no nipoiran’ity aretina ity. Mbola misy ireo tsaboina eny amin’ny hopitaliben’i Moramanga. Efa nidina nandray ny andraikiny avokoa ireo tompon’andraikitra voakasika rehetra. Mafana hoditra ary miafara amin’ny fandoavana rà sy vizana be no fiantombohan’ity aretina ary mahafaty haingana raha tara ny fitondrana ny marary eny amin’ny hopitaly, no sady mifindra amin’ny alàlan’ny rivotra. Ny alahady no nahatsapan’ireo mponia any an-toerana, fa misy tranga nampiahiahy nahafaty olona roa tao anatin’ny fotoana fohy, ka nahatonga an’ireo eni- mianaka hiakatra ny hopitaly avy hatrany, izay efa nahatara ny fahatongavana ka nahafaty ny efatra ny alin’ny alatsinainy sy ny marainan’ny talata. Tsy mifidy ity aretin-dratsy ity fa na ny zaza vao telo volana aza dia efa hatahorana raha ny fahitan’ireo mpanao fanadihadiana ifotony avy ao amin’ny « Institut Pasteur » eto an-toerana dia enina no efa ahiana ho voan’ity aretina ity any, noho izy ireo efa ahitana ny fisehony avokoa. Tsy dia lavitra an’i Moramnga renivohitra ity kaominina ity ka miteraka horohoro ho an’ny mponina  rehetra eto an-toerana. Ny solombavambahoaka Randriamahefa Henri Charles  dia miantso ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisitra mpiahy hijery haingana no sady hamatsy fanafody eto Moramanga.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici