Mpanendaka roalahy sy vehivavy iray no fantatra fa nampidirina am-ponja vonji- maika rehefa avy nandalo teny amin’ny fitsarana, ny alatsinainy 24 aogositra teo. Ireo lehilahy nalefa eny Tsiafahy, ilay vehivavy kosa eny Antanimora. Voarohirohy tamina resaka fanendahana izy ireo. Ny alin’ny zoma 21 aogositra, nisy olona iray nendahana telolahy nitondra basy teny Anosibe. Raha vao nahazo ireo zavatra tany amin’ilay olona ry zalahy, dia rifatra nandositra. Tamin’izay fotoana izay, nandalo ny polisin’ny SAG mpanao fisafoana. Nitantara ny zavatra nahazo azy ilay voaendaka. Tsy mbola lasa lavitra ireo jiolahy, ka raikitra ny fanenjehana azy ireo. Voalazan’ny vaovao, fa niditra tao amina tranona vehivavy iray ireo olon-dratsy. Tao no nosamborina. Tafatsoaka kosa anefa ny iray. Tratra tany amin’izy ireo ny telefaona nalainy. Ny vola lasany kosa anefa, tsy hita intsony. Rehefa nojerena ny basy teny aminy, dia fantatra fa kilalao entiny hampitahorana ireo remby. Mbola karohina ilay fahatelo afaka nandositra.
Nangonin’i r.s.